
Isika Dia Iray Samy Malagasy (IDISM) dia tsy fikambanana fotsiny, fa sadyfiaraha-monina no ankohonana iray voatokana ho an’ny Malagasy rehetra, izay miorina amin’ny fitiavana ny maha-Malagasy sy ny fampiharana azy amin’ny fiainana andavanandro.
Fototra ijoroany : Miorina amin’ny fitiavana ny maha-Malagasy, izay tsy amin’ny teny fotsiny fa azo iainana sy ampiharina amin’ny asa. Manamafy ny maha iray antsika sy ny fifankatiavana eo amin’ny maha Malagasy, hotena fiainana, fa tsy hijanona ho teny fotsiny. Miady amin’ny fahantrana, tsy fisian’asa, ary ireo olana mety hamotika ny firenena, kamanohana ny fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary ny famelomana indray ny maha-Malagasy, anisan’izany ny Sivilizasiona Malagasy. Ny maha Malagasy no fototra iray lehibe ikambanan’ny mpikambana rehetra ato, tsy mijery fiaviana, saranga, foto-pinoana, foto-pisainana, firehana ara_politika, foko, fara-pahaizana fa rehefa vonona handratra ny maha Malagasy. Ny IDISM dia mahatakatra, fa na inona na inona sehatra misy anao, na antoko inona misy anao, na finoana inona na inona dia tsy hanakana anao hankatia ny maha Malagasy anao izany rehetra izany.

Tanjona : Manandratra ny maha-Malagasy amin’ny alalan’ny fitiavana voaporofoa amin’ny asa sy ny famelomana ny Sivilizasiona Malagasy, ka hampiaka-tsehatra azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hampiroborobo ny famokarana sy varotra, ary ny fahaiza-manao Malagasy, amin’ny alalan’ny fitiavana tanindrazana sy ny fifanohanana tsy misy fetra. Hamelona sy hanatsara ny fihavanana, izay soatoavina lehibe amin’ny Sivilizasiona Malagasy, ary hanohana ny fanarenana ny toe-karena malagasy mba ho lasa hery velona azo iankinana sy ho lovain’ny taranaka. Hitahiry sy hampita amin’ny taranaka ho avy ny soatoavina sy kolontsaina Malagasy, ary hanitatra lavitra ny herin’ny fitiavana ny maha-Malagasy.
Ny iraka voatokanahoan’ny IDISM “Torio hoan’ny Malagasy rehetra, manerana ny Nosy ka hatrany ampitandranomasina rehetra any, ny fitiavana ny maha-Malagasy.”
Fomba fiasa : Tsy misehatra amin’ny politika amin’ny rafitra sy famaritana Malagasy, fa mijoro amin’ny maha ekô-nasionalisma, izay miorina amin’ny maha-Malagasy sy ny toe-karena. Manatanteraka tetikasa ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy rehetra izay misokatra tsy anavahana. Manome sy mampiantrano Kongresy Nasionaly (12,13,14 Septambra) indray mandeha isan-taona, sehatra lehibe hanamafisana ny firaisankina sy hanomezana aina vaovao ny Sivilizasiona Malagasy, ka ahafahana mampiroborobo ny fihavanana sy manala ny fifampihafahafana. Manana Kongresy Rezionaly ihany koa, izay mampivondrona ny mpikambana sy mametraka fifandraisana matanjaka eo amin’ny sehatra isan-karazany. (24 febroary) Mampitovy fomba fijery, manatratra tanjona iraisana, mifanohana, mifanangana, mifanampy. Miaraka manangana, miaraka manorina, miaraka mitanatana, miaraka mahomby.

Ny maha-zava-dehibe ny fisiany : Ho an’ny mpikambana: sehatra iainana ny maha-Malagasy, fandraisana anjara mivantana amin’ny tetikasa, ary fanohanana amin’ny fivoarana manokana. Ho an’ny Malagasy: fanalefahana ny tsy fisian’asa, ady amin’ny fahantrana, fanamafisana ny maha iray antsika, fitandroana ny kolontsaina, ary famelomana aina vaovao eo amin’ny fihavanana. Sehatra iray anomezanao lanja ny fitiavanao ny maha Malagasy anao. Ho an’i Madagasikara: fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy, fanavaozana ny Sivilizasiona Malagasy, ary fanandratana ny firenena amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Haonao : Raha tena tianao ny maha Malagasy anao, dia tokony ho sarotiny ianao amin’ny maha ianao anao, ny kolotsainao, ny soatoavinao, ny firenenao, ny safidinao, ny toe-karenanao sy izay rehetra mombamomba an’i Madagasikara.
