Ny hasina maha olona
"Ny IDISM dia manentana ny rehetra mba ho andry mpiaro ny maha-olona. Na aiza na aiza misy ny olombelona, dia iray ihany ny maha-olona ary iray ihany ny natiora maha-olona; noho izany dia mendrika hajaina sy harovana mitovy avokoa ny tsirairay, tsy an-kanavaka."
NY MAHA MALAGASY – & ny Patriotisma
"Ny IDISM dia manandratra sy miaro ny maha-Malagasy ary manaja ny firenena. Mijoro amin’ny fitiavana ny maha Malagasy , ny tanindrazana sy ny maha patriotisma izy, miaro ny kolontsaina, ny sivilizasiona ary ny soatoavina Malagasy, ary manamafy ny fihavanana sy ny fifanajana.''
NY SIVILIZASIONA – Miorina amin’ny Soatoavina
Ny IDISM dia manandratra ny sivilizasiona rehetra izay miorina amin'ny maha olona sy manaja ny soatoavina. Fa manohitra fatratra kosa ireo karazana fivoarana rehetra hanimba ny hasina maha olona sy ny kolontsaina.
NY IDISM DIA MANANA VINA SY TETIK'ASA
ho an'ny Malagasy rehetra: mpianatra, tanora, mpandraharaha, mpiasa, tantsaha, mpikaroka, artista, mpampianatra, ary ireo Malagasy maneran-tany,
Ny IDISM dia tsy mijanona amin'ny fizarana hevitra na fanentanana fotsiny, fa mikendry ny hamorona tetikasa sy rafitra mivaingana izay manampy ny olom-pirenena handray anjara amin'ny ady atao amin'ny fahantrana sy ny tsy fisian'asa eto Madagasikara.
01
SEMINERA : ANDAO ATOMBOKA
Maro ny tanora sy ny olon-dehibe eto Madagasikara no manana nofinofy, manana talenta ary manana vina lehibe. Kanefa, maro ihany koa no voasakan'ny tahotra, ny tsy fahampian'ny tambajotra, ny tsy fisian'ny mpiara-miasa, na ny tsy fahampian'ny fahatokisan-tena.
Halalinina
02
Mi-SOKATRA
Ny teny hoe "MISOKATRA" dia maneho hevitra roa lehibe: Misokatra ho an'ny rehetra: tsy misy fanavakavahana fa afaka miditra izay manana finiavana hanorina hoavy tsara kokoa. Sokatra: biby mampiavaka an'i Madagasikara, maneho faharetana, fahendrena, tanjaka ary fahombiazana azo amin'ny ezaka mitohy.
Halalinina
03
HEXAGONE - INSTITUT MG
dia ivon-toeran'ny fiteny sy kolontsaina isan-karazany,ary ny zavakanto.Maneho ny firaisan'ny fahasamihafana ny anarana hoe Hexagone, sady sehatra mampifandray ny olona sy ny kolontsaina samihafa hanaiky ny fahasamihafana, saingy iray ny maha-olombelona antsika.
Halalinina
04
AKOTRY - GASY
dia sehatra iray hoan'ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra,ho fanatsarana ny fambolena, ny fiompiana, ary ny famokarana.Izy io dia mikendry ny hanatsara ny famoahana ny vokatra eny an-tsena, ho fahalalahana hoan'ny manjifa ny vokatra.Ny Akotry Gasy dia sehatrin'ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra.
Halalinina
