Tongasoa eto amin’ny IDISM

Mankasitraka indrindra anao izahay noho ny fitsidihanao sy ny fahaliananao hahafantatra bebe kokoa ny IDISM. Mirary anao hahita vaovao sy aingam-panahy mahasoa mandritra ny fitsidihanao.

Ny IDISM dia manana fizarana fototra telo lehibe , izay lazaina fa ireo no antompisiany, sy na iza na iza no mpikambana dia tsimaitsy manaja sy mitandrina azy ireo. Ary ny tanjona sy izay atao rehetra dia tsimaitsy ampifanarahana amin’izy ireo. Ny soatoavin’ny fikambanana dia mifototra tanteraka amin’izy ireo.

Valeur humanisme : ny maha olona sy ny hasina maha olona

Ny maha Malagasy (identité) : ny kolon-tsaina, ny fihavanana sy ny patriotisma

Ny Sivilizasiona : ny fanabeazana, ny soatoavina ,ny fikarohana/ny fivoarana ary ny fanarenana ny hoavy

Ny IDISM dia fikambanana tsy miorina amin’ny politika, foko, finoana na sokajin’olona. Ny fototra ijoroany dia ny fampivoarana ny maha olona, ny hasina sy ny natioran’olombelona ary sampana ao anatin’izany ny fiaviana sy ny firenena, ary iray ao anatin’izany rehetra izany ihany koa ny maha MALAGASY.


Ny tanjon’ny IDISM dia ny hanandratra ny maha olona ho ambony indrindra, ary manentana an’izao tontolo izao hanaja hatrany an’izany. Mahohitra ny famonoana olona amin’ny karazany rehetra, ny herisetra amin’ny karazany rehetra. Manohitra ihany koa ny karazana fivoarana rehetra izay manitsakitsaka ny maha olona sy ny natiorany.

Ny Fahasamihafana dia Harena, fa tsy Antony Hifanalavirana

Anisan’ny soatoavina fototra ijoroan’ny IDISM (Isika Dia Iray Samy Malagasy) ny fanajana ny maha olona sy ny fahasamihafana misy eo amin’ny olombelona.

Ny IDISM dia tsy mijoro hampisaraka ny olona noho ny fiteniny, ny fiaviany, ny faritra niaviany, ny kolontsainy na ny fomba amam-panaony. Mifanohitra amin’izany aza, mino izahay fa ny fahasamihafana dia harena sy hery mampanan-karena ny fiarahamonina.

Samy manana ny hasiny sy ny lanjany ny olona tsirairay, na avy aiza izy na avy aiza, na inona ny fiteniny, na inona ny kolontsainy. Tsy natao hifanilikilihana na hifandrafy ny olombelona, fa natao hiara-monina, hifankahazo ary hifanampy. Izany no natioran’ny fiaraha-monina sy ny fototry ny sivilizasiona rehetra.

Ho an’ny IDISM, ny tena firaisankina dia tsy fitoviana an-tery, fa fahaizana miara-miaina ao anatin’ny fahasamihafana, mifototra amin’ny fifanajana sy ny soatoavina iombonana.

Ao anatin’izany no anandratranay ny:

Maha-Olona sy ny hasin’ny tsirairay,

Maha MALAGASY sy ny maha izy antsika,

Sivilizasiona Malagasy miorina amin’ny fihavanana sy ny fahendrena,

Fanabeazana sy fikarohana ho fanatsarana ny fiarahamonina,

Fifampizarana fahalalana sy fiaraha-manorina,

ary ny fananganana fiarahamonina miorina amin’ny soatoavina, ny fahamendrehana ary ny fifanajana.

Ny tsy fitoviana dia tsy sakana, fa hery. Ny fahasamihafana dia harena. Ary ny firaisankina dia tsy fanesorana ny maha samy hafa antsika, fa fanekena sy fanajana izany ao anatin’ny tanjona iombonana.


Ny IDISM dia miaro sy mampiroborobo:
Ny hasin’ny olombelona sy ny zo fototra;
Ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fifampitokisana;
Ny kolontsaina sy ny Sivilizasiona Malagasy;
Ny patriotisma sy ny andraikitra maha olom-pirenena;
Ny fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknolojia manaja ny natioran’olombelona sy ny tontolo iainana.


Ho an’ny IDISM, ny fitiavan’ny olona iray ny tanindrazany dia tsy fihetseham-po mandalo, fa soatoavina iainana sy andraikitra raisina isan’andro, sady natiora tsy afaka misaraka amin-tsika.
Ny IDISM dia mahita fa:
Tsy misy firenena hiaina ao anatin’ny fitoniany sy fahafenoany raha tsy manaja ny maha olona.
Tsy misy fandrosoana maharitra raha tsy miorina amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina.
Ny Sivilizasiona lehibe dia avy amin’ny fiaraha-monina maro sy fiaraha-monina lehibe.