FANASANA OFISIALY
ANDAO ATOMBOKA!
Seminera momba ny Tanora, ny Fandraharahana ary ny Fananganana Tambajotra (Networking)
Ry tanora, ry havana, ry namana,
Misy fotoana eo amin’ny fiainana izay tsy mila miandry intsony, fa mila manomboka.Maro ny nofinofy tsy tanteraka satria miandry fotoana lavorary. Maro ny talenta tsy hita maso satria tsy sahy mamoaka ny heviny. Ary maro ny tetikasa tsy teraka satria tsy nahita olona hiara-dia.
Izany indrindra no anton’ity seminera ity.Ny IDISM MADAGASIKARA (Isika Dia Iray Samy Malagasy) dia manasa anao hanatrika ny seminera : ANDAO ATOMBOKA!Seminera natao ho an’ireo tanora sy olon-dehibe rehetra:
- manana nofinofy,
- te hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana,
- te hanangana tetikasa,
- te hahita mpiara-miasa sy namana vaovao,
- te hivelatra sy hizara ny heviny,
- te hanatratra tanjona ( asa, fianarana, talenta sns… )
- ary te handray anjara amin’ny fananganana Madagasikara. Sns…
Inona no ho hita ao?
✅ Fanentanana momba ny fahasahiana manomboka.
✅ Fifanakalozan-kevitra momba ny fandraharahana eto Madagasikara sy any ivelany.
✅ Fampifandraisana ireo olona manana vina sy tetikasa (Networking).
✅ Fampahafantarana ireo traikefa sy lesona avy amin’ireo efa nanomboka.
✅ Sehatra malalaka ahafahan’ny tsirairay maneho ny heviny, mamorona fifandraisana ary mahita mpiara-dia.
✅ Fifiampiazarana izay mahasoa : asa, traikefa, fianarana, fahombiazana.
✅ Famoronana rafitra tsara sy mazava hoentina hifanampiana.
Ny hafatra lehibe : tsy ny renivola no zavatra voalohany ilaina. Ny dingana voalohany no sarotra indrindra. Indraindray, olona iray, hevitra iray, na fihaonana iray ihany dia mety ho afaka hanova tanteraka ny fiainanao.
Noho izany dia aza misalasala.
Mitondrà ny nofinofinao. Mitondrà ny hevitrao. Mitondrà ny fanontanianao. Ary mety hody miaraka amin’ny namana, mpiara-miombon’antoka na tetikasa vaovao ianao.
Teny faneva : „Ny hoavy mamiratra dia tsy natao hoan’ireo izay mbola miandry ny fahavonony , fa natao hoan’ireo izay sahy manomboka.“
Koa manasa anao izahay hiaraka aminay amin’ity fotoana ity.
Andao hihaona. Andao hifampianatra. Andao hifandray. Andao hiara-hamorona.
ANDAO ATOMBOKA!
Satria ny hevitra tsara dia mety hanova fiainana iray. Ny fiainana iray miova kosa , dia afaka manova fianakaviana iray na maromaro, ary ny fianakaviana maromaro miova dia afaka manova firenena iray.
🇲🇬 IDISM MADAGASIKARA – Isika Dia Iray Samy Malagasy
🇲🇬𝐍𝐀𝐇𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐓𝐎𝐊𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐈𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐓𝐘 𝗦𝗘𝗠𝗜𝗡𝗘𝗥𝗔 „𝘼𝙉𝘿𝘼𝙊 𝘼𝙏𝙊𝙈𝘽𝙊𝙆𝘼“ 𝐈𝐓𝐘⁉️
- Misy olona manana hevitra, nefa tsy manana vola, na koa tsy misy mpihaino (na tsy manana olona mba mino ny heviny)
- Misy olona manana vola, nefa tsy manana hevitra, na koa olona atokisana.
- Misy olona manana talenta, nefa tsy manana tambajotra (Ekipa).
- Misy olona manana fahaizana, nefa tsy manana mpiara-miasa.
- Ary misy olona manana izany rehetra izany, nefa mbola miandry fotoana lavorary.
🇲🇬 𝙏𝙨𝙮 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙣𝙮 𝙝𝙞𝙨𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤. 𝙏𝙤𝙠𝙤𝙣𝙮 𝙝𝙞𝙝𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤.
🇲🇬 Izany indrindra no anton’ity fotoanan’ny 𝙨𝙚𝙢𝙞𝙣𝙚𝙧𝙖 „𝐀𝐍𝐃𝐀𝐎 𝐀𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀“ ity
••• Raha manana 𝙝𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 ianao, tongava hahita olona afaka hiara-manatanteraka izany.
••• Raha manana 𝙫𝙤𝙡𝙖 ianao, tongava hahita tetikasa sy olona mendrika hampiasam-bola.
••• Raha mitady 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 ianao, tongava hahita olona mitovy vina sy soatoavina.
••• Raha mitady 𝙖𝙨𝙖, 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 na 𝙩𝙖𝙢𝙗𝙖𝙟𝙤𝙩𝙧𝙖 ianao, tongava hanitatra ny faravodilanitrao.
••• Raha mbola tsy fantatrao akory izay 𝙡𝙖𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙡𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖𝙤, tongava hahita aingam-panahy sy fahafahana vaovao.
••• Mety 𝙞𝙣𝙖𝙤 𝙞𝙤 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖𝙩𝙧𝙖, ka mieritreritra hoe tsy natao hoanao izany, tsia : tongava, fa manomboka eo mety ho hainao ny hamaritra ny lalanao, na ny fomba hanatraranao ny tanjonao.
🤝 Tsy 𝙉𝙚𝙩𝙬𝙤𝙧𝙠𝙞𝙣𝙜 fotsiny ity…
- Fa fihaonan’ny nofinofy sy ny fahafahana.
- Fihaonan’ny: mpamorona sy ny mpampiasa vola, ny tanora sy ny mpandraharaha, ny talenta sy ny tetikasa, ary ny vina sy fanatanterahana.
🇲🇬Mety ho olona iray hihaonanao amin’io andro io no:
- ho lasa mpiara-miasa aminao,
- ho lasa mpanohana ny tetikasanao,
- ho lasa mpampiasa vola,
- na ho lasa namana hiara-hitombo aminao mandritra ny taona maro.
🇲🇬 𝐈𝐃𝐈𝐒𝐌 – 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
🇲🇬Mino izahay fa rehefa mifandray ny olona tsara sitrapo sy manana vina, dia miteraka hery afaka manova fiainana sy manova ny tantara.
🇲🇬Aza tonga fotsiny satria liana. Mitondrà hevitra. Aza mitondra hevitra fotsiny. Mitondrà fahavononana. Aza mitondra nofinofy fotsiny. Mitondrà ny tenanao, 𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚𝐯𝐚!
🇲🇬 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐀𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 !
🇲🇬Satria mety ho fihaonana iray ihany no ilainao hanovana ny fiainanao, ary mety ho olona iray ihany no ilain’i Madagasikara hanombohana revolisionan’ny famoronana sy ny fandraharahana. 🇲🇬
Fotoana : 18 Jolay 2026 , @ 9 ora maraina
Toerana : Esca Antanimena ( Cafétéria)
Contact : +26138 29 539 92 /+26133 59 932 13
E-mail : infos@idism-madagasikara.com
🌐 www.idism-madagasikara.com
- •••Tsimaitsy misoratra anarana mialoha izay maniry ny ho tonga satria voafetra ny toerana. Koa raha maniry izany ianao tongava misoratra anarana mialoha, antsoin’ny laharana : +26138 29 539 92 /+26133 59 932 13, na manoratra ato amin’ny pejy facebook : IDISM – Madagasikara , na misoratra anarana en ligne ihany koa amin’ity rohy ity : https://idism.aidaform.com/Seminera-Andao-Atomboka

