×

ETAHORANY dia tanora Malagasy toa anao sy izaho. Saingy nisy zavatra iray tsy nety navelany hijanona ho nofinofy fotsiny: ny fitiavana sy ny fanandratana ny maha Malagasy (Maha-Olona).

Ho azy, ny fitiavana dia tsy teny, fa asa. Tsy hira, fa andraikitra. Tsy fihetseham-po mandalo, fa fiainana iainana isan’andro.

Teraka tamin’ny taona 1995 izzy ary hatramin’ny faha-21 taonany dia efa nitety an’i Madagasikara izy, nahafantatra akaiky ny natiora, ny soatoavina ary ny kolontsaina mampiavaka ny Nosy. Tao anatin’izany no nahitany fa miha-potika tsikelikely ny natiora, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao. Tsapany fa rehefa very ny ala, ny rano ary ny zava-boary, dia tsy natiora ihany no simba; mihalefy koa ny hasina maha-olona.

Ny fahantrana dia matetika tsy avy amin’ny zavatra ety ivelany fa avy amin’ny toe-tsaina, ary izany no maha-zava-dehibe ny fanabeazana. Ho azy, ny olombelona dia ampahany amin’ny natiora. Rehefa potika ny tontolo iainana, dia potika miaraka aminy ny fahamendrehana, ny soatoavina ary ny kolontsaina mampisy antsika.

Izany no nahaterahan’ny fototra ijoroan’ny IDISM, izay miorina amin’ny andry telo tsy azo sarahina:

  • Maha-Olona — fiarovana ny hasina sy ny natiora maha-olombelona.
  • Maha-Malagasy sy Patriotisma — fNy olona tsirairay dia tokony ho tia ny tanindrazany, soatoaviny ary ny kolontsainy alohany ny hitiavany ny any hafa. ( efa natiora izany )
  • Sivilizasiona — fampandrosoana mifanaraka amin’ny soatoavina sy manaja ny maha-olona

Patriotista izy, satria tiany ny taniny, ny soatoaviny, ny kolontsainy, ny vahoaka ao amin’ny fireneny. Ary ny olona tsirairay dia tokony ho toizany alohany hikazany fa maniry hoavy tsara hoan’izao tontolo izao izy. Mino izy fa ny fiarovanao ny taninao, ny fanabeazanao ny vahoakanao ary ny fanandratanao ny soatoavinao dia efa fandraisana anjara lehibe amin’ny fanatsarana izao tontolo izao.

Mampalahelo azy ny mahita firenena maro mbola miady amin’ny fahantrana, ny tsy fisian’asa ary ny tsy fanjarian-tsakafo, nefa koa mahita fa misy fivoarana sasany manimba ny kalitaon’ny sakafo, ny natiora ary ny hasina maha-olona. Maro ireo vahoaka voakasiky ny vokatry ny fanapahan-kevitra tsy noraisiny, kanefa mbola voatery miaina ny vokany isan’andro.

Tsy ny fitarainana no valiny, hoy izy, fa ny fijoroana.

Izany indrindra no nahaterahan’ny IDISM Madagasikara: hetsika iray natao hiaro ny Maha-Olona, ny natiora ary ny soatoavina; ho tambajotra ahafahan’ny olona mifanohana, miara-mamorona ary mandray andraikitra ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.

« Raha misy zavatra iray iriko havelako eto ambonin’ity tany ity, dia tsy ny anarako, fa ny olombelona iray nijoro hiaro ny Maha-Olona, ny natiora ary ny fanantenan’ny taranaka mbola ho avy. »

IDISM Madagasikara dia antso ho an’izay rehetra mino fa mbola azo arovana ny hasin’ny olombelona, mbola azo averina ny fifandraisan’ny olona sy ny natiora, ary mbola azo soratana amin’ny asa ny fitiavana an’i Madagasikara sy izao tontolo izao.

6 commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Auteur/autrice

cresiasetahorany@gmail.com